<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H.F. Hemy</author>
<lyrics>[V1]
 He ! ali-maizim-pito e !
 Sao very ao ny marobe,
 Satana no manjaka ao,
 Mivadi-po ny olona ao :
 Avia, ry Masoandronay,
 Mba hazavao ny taninay !

[V2]
 Fa ny mazava ho anay
 Ao Aminao, Jehovah Ray !
 Mamirapiratra tokoa
 Ilay Fitarikandro soa.
 Avia, ..sns.

[V3]
 Ry Jeso Masoandronay !
 Miandry eto izahay ;
 Mba misehoa Hianao
 Fanilon'ny fanahy ô !
 Avia, ..sns.

[V4]
 Dia hazavao ny taninay,
 Andrao very eto izahay ;
 Savao ny aizim-be izao
 Hizorany mankaminao
 Avia, ..sns.</lyrics>
<title>He, ali-maizim-pito e! FFPM304</title>
<hymn_number>304</hymn_number>
</song>